Fiantefako
v4

@Maminiaina Rajaofetra

Fiantefako
v4

@Maminiaina Rajaofetra

가사
Finaritra aho ry Tompo o o

Fa mitoetra eo anilanao

Efa ela aho no naniry izao

Ka anio izao tanteraka.

Fa tiako ho fantatrao Jesosy o

Fa tiako loatra Ianao.

Tsy misy hatakaloko o o

Rehefa eo Ianao miaro ahy

Rehefa eo Ianao mitantana ahy.

2. Ianao Jesosy irery ihany



No tokana efa ato am-po.

Ka reharehako izany

Manana Anao anilako.

Koa faly aho ry Tompo o o

Faly fa miaraka Aminao

Tsy misy iriko mihoatra izao o

Ny hiaina eo anilanao,

Hamaky izao fiainana izao.

3. Kanefa izaho ry Tompo o o



Malemy mora reraka

Ka ny angatahiko Aminao o

Omeo hery hatanjaka aho.

Ka aza avelanao irery aho

Arovy ambany elatrao

Ny fiainako Tompo anjakao o

F(a) efa natokako ho Anao

Ho Anao irery hatramin’izao.

4. Mpanjaka tokako Ianao



Manjaka ao anatiko ao

F(a) efa voatokako ho Anao o

Ity ny tenako anjakao

Ka tsy hanahy intsony aho.

Satria efa mahatoky Anao

Ary fantatro fa Ianao o

No hany lala-marina.
음악 스타일
Classic Rock, Joy, Coloratura Soprano

당신은 좋아할 수도 있습니다

노래 표지 COREN ACRE
v4

Suno AI을 사용하여 Jose do Carmo Carile에 의해 생성됨

노래 표지 Szomorú valóság
v4

Suno AI을 사용하여 Dani Hidasi에 의해 생성됨

노래 표지 إنسان من غير حياة
v4

Suno AI을 사용하여 tipo tipo에 의해 생성됨

노래 표지 ذكور علي وحسن وعاطف
v4

Suno AI을 사용하여 براعم للمواد الغذائيه에 의해 생성됨

관련 재생목록

노래 표지 Салаўіныя ночы
v4

Suno AI을 사용하여 Alex Fill에 의해 생성됨

노래 표지 Gole yasaman
v4

Suno AI을 사용하여 خیام آذری에 의해 생성됨

노래 표지 EL PEQUEÑO ENAMORADO
v4

Suno AI을 사용하여 GABRIEL LOPEZ에 의해 생성됨

노래 표지 Corrido de Chayo
v4

Suno AI을 사용하여 Alberto Rodríguez에 의해 생성됨